Madagascar : Zotra H : Saziana mampisakafo olona ny mpitatitra


Sazy hafa kely nefa mahomby.

Saziana mampisakafo ny mpitatitra namany sy ireo olona mijorojoro tsy misy atao eo amin’ny toeram-piantsonan’ny taksibe any Sabotsy-Namehana ny mpamily amin’ny zotra H tratra tsy manara-dalàna. Nahafay tanteraka ary nahahendry azy ireo amin’ny ankapobeny izany fomba fanasaziana hafakely izany.« Efa natao tamin’ny mpitatitra daholo ny endrika fanasaziana maro, nanomboka tamin’ny tsy famelana azy ireo miasa mandritra ny fotoana voafetra, ny fampandoavana azy ireo mari-bola araka izay fahadisoana vitany, fanapahana ny karamany, fa tsy nisy nahomby.

Nandray fepetra sy nanapa-kevitra ny hampihatra fomba fanasaziana mety hanovana famindra sy hahatonga saina azy ireo izahay. Ny fampisakafoanana ireo mpitatitra sendra mijanona sy ireo olona mijorojoro tsy misy atao eo amin’ny toerana fian-tsonana farany eny Sabotsy-Namehana mandra-pahavokiny nefa tsy miala amin’ny vola tsy maintsy tratrarin’ny mpamily sy ny mpanampiny no sazy nampiharinay amin’izay tratra tsy nanara-dalàna », hoy Rakotondrazaka Fenosoa, filohan’ny kaoperativa Kofafiava, ao amin’ny zotra H mampitohy an’ Ambodivona sy ireo tanàna eny Avaradrano.

Nahitam-bokany izany fomba fanasaziana hafakely izany satria dia nihena be tsy toy ny teo aloha in-tsony ny hadalana sy ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ireo mpitatitra ao amin’io zotra io. Ny tatitra sy ny fitarainan’ny mpandeha no ahafantarana ny tsy fanarahan-dalàna ataon’izy ireo ka mitarika ny fanasaziana azy.

Volana Rakotoharimanana

Lundi 16 avril 2012

http://www.lexpressmada.com/zotra-h-madagascar/33724-saziana-mampisakafo-olona-ny-mpitatitra.html

Publicités

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s