#Madagascar : Fandikan-dalàna – Môtô 15 noraofina teny Anosibe


Notaomina tamin’ny kamiao nankeny Mahamasina izay tsy ara-dalàna.

Nihetsika nanao fisavana manokana ireo môtô teny Anosibe omaly ny Polisim-pirenena sy ny Polisy monisipaly Antananarivo renivohitra. Nahatratra 15 ireo môtô nosavaina tao anatin’ny adiny iray, ka maro no sarona fa tsy ara-dalàna akory.

“ Be loatra ny tsy manara-dalàna ireo mpitondra môtô eto an-drenivohitra. Misy tsy ampy taona kanefa sahy mitondra môtô tsy mbola azony entina. Ao indray no tsy manana fahazoan-dalàna mitondra môtô kanefa sahy mirimorimo manerana ny tanàna. Misy môtô indray tsy nandoavana fiantohana akory, saingy miriaria tsy amin’ahiahy eto an-drenivohitra”, hoy ny tatitra momba ity hetsika manokana omaly tetsy Anosibe ity.

Isan’ireo toromarika ho an’ny mpitondra môtô ihany koa ny fandoavana “vignette”. Aorian’ny fampitandremana omena azy ireo dia tsy hitsitsy intsony ny mpitandro filaminana manao fisavana eny an-dalambe eny.

B.A

http://www.aoraha.com/fandikan-dalana-moto-15-noraofina-teny-anosibe/

Advertisements

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s