#Madagascar : Ambohimangakely – Mihisatra ny fananganana ilay te tezana tapaka


Misy tetezana vonjimaika napetraka ivezivezen’ny olona eny Ambohimangakely

Miandry ny mponina. Iray volana aty aorian’ny naha- vitan’ny fandrodanana ilay tetezana potiky ny rivo-doza Giovana, ny 14 febroary teo, eny Ambohimangakely amin’ny Rn 2, dia tsy mbola manomboka ny asa fanan- ganana azy. Asa madinika toy ny fanadiovana  ny manodidina, ny fanalana ireo vato ao anaty rano ary ny fandefasana  ny rano hikoriana amina lalan-tokana no atao ao. «Misavoritaka ny tanàna ary efa manomboka miha mahazo vahana ny tsy fandriampahalemana, tsy azo aleha amin’ny harivariva ny tetezan-kazo namboarina hivezivezen’ny olona», hoy Ravaosendra Marie, mpivarotra iray eny an-toerana. Nanamafy izany ny sefo fokontanin’Ambohimanga- kely Tanàna, Ranaivoarison Ludger Aimé. «Ahiana mihitsy ny valanaretina noho ny fitobahan’ny fako sy ny loto», hoy izy naneho ny ahiahiny.

« Io iarahantsika mahita io ny momba ny tetezana », hoy kosa  ny  Ben’ny tanànan’ Ambohimangakely, Andrianarison Naina. «Ny fandrodanana no efa natao ary asa na misy ifandraisany amin’ny asa io fandrarirariana vato amin’ny sisiny io na tsia», hoy ihany ny fanampim-panazavany. Miandry ny mponina. Iray volana aty aorian’ny naha- vitan’ny fandrodanana ilay tetezana potiky ny rivo-doza Giovana, ny 14 febroary teo, eny Ambohimangakely amin’ny Rn 2,dia tsy mbola manomboka ny asa fanan- ganana azy. Asa madinika toy ny fanadiovana  ny manodidina, ny fanalana ireo vato ao anaty rano ary ny fandefasana  ny rano hikoriana amina lalan-tokana no atao ao. «Misavoritaka ny tanàna ary efa manomboka miha mahazo vahana ny tsy fandriampahalemana, tsy azo aleha amin’ny  harivariva ny tetezan-kazo namboarina hivezivezen’ny olona», hoy Ravaosendra Marie, mpivarotra iray eny an-toerana. Nanamafy izany ny sefo fokontanin’Ambohimanga- kely Tanàna, Ranaivoarison Ludger Aimé. «Ahiana mihitsy ny valanaretina noho ny fitobahan’ny fako sy ny loto», hoy izy naneho ny ahiahiny. « Io iarahantsika mahita io ny momba ny tetezana.

Hidina ifotony

Raha ny tsilian-tsofina avy amin’ireo  mpiasa hian- draikitra ny asa dia fantatra fa ny tsy mbola fahavononan’ ny vola rehetra no antony tsy mbola hanombohan’ny asa fananganana ny tetezana, ka manahy ny tsy ho voaloa ny volan’ny orinasa. Nandà
izany anefa ny minisitry ny Asa vaventy, ny  kolonely Botomanovatsara. «Tsy misy an’izany. Natomboka ny 05 avrily ny  asa  ary vitaina hatramin’ny 05 jolay», hoy ny fanazavany. Nilaza aza izy fa hidina eny an-toerana hijery ny fandehan’ ny asa amin’ity herinandro mitsidika ity.

Monica Rasoloarison

http://www.aoraha.com/ambohimangakely-mihisatra-ny-fananganana-ilay-tetezana-tapaka/

Publicités

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s