#Madagascar : Fitaterana – Mamono antoka taksy ny fanitaran-dala n’ny taksibe


Voalaza fa rehefa maika sisa ny mpandeha vao mandeha fiarakaretsaka

Manafaka olana ho an’ireo mponina ny fiitaran’ny zotran’ireo fiara fitateram- bahoaka eto Antananarivo na taksibe. Ny ankamaroan’ ireo lalana rehetra tsy nahitana fiara fitateram-bahoaka hatrizay mantsy, kanefa be mpampiasa, dia efa lalovan’ireo fiara fitateram-bahoaka avokoa ankehitriny.

Somary nihisatra anefa ny asan’ireo fiarakaretsaka na ny taksy manoloana izany. Matetika mantsy dia ireny lalana tsy be mpan- deha ireny no tena ilàn’ ireo mpanjifa ny fiara- karetsaka. «Rehefa maika sisa ireo mpandeha vao mandeha aminay», hoy Rasoloson Rivo, mpamily fiara- karetsaka iray.

Na ireo sisin-dalana fian- tsonan’ireo fiarakaretsaka aza dia ahitana fiara mi- janona amin’ny ora rehetra. «Amin’ny 7 ora sy sasany dia efa tsy misy fiarakaretsaka miantsona intsony eto aminay teo aloha. Amin’izao fotoana izao anefa dia tratra antoandro eto ny ankamaroanay», hoy Rambeloson Thierry, mpamily fiarakaretsaka mpiantsona, etsy Ambohitrarahaba.

«Ahazoana Ar 1 000 ny mitondra olona iray mihazo ny lalan’i Masay mivoaka eo Ankorondrano rehefa maraina. Izao anefa efa misy fiara fitateram-bahoaka amin’ iny lalana iny», hoy izy.

Tsy mahasahy manombana saran-dalana ambony intsony araka izany ny ankamaroan’ireo mpamily fiarakaretsaka. «Be ireo mpifaninana. Izay sarany tena izy no itondrana ireo mpanjifa», hoy izy ireo.

HNA

http://www.aoraha.com/fitaterana-mamono-antoka-taksy-ny-fanitaran-dalanny-taksibe/

Laisser un commentaire