#Madagascar :  » Fort-Dauphin 2020  » : mandeha ny asa fanarenana ny tanàna


Mandeha ny asa fanamboaran-dalana ao Taolagnaro, izay tafiditra ao anatin’ny tetikasa Pic (Pôle intégrée de croissance) vatsin’ny Banky iraisam-pirenena vola. Nanomboka ny volana janoary, tamin’ity taona ity, ny fanombohana ny asa, izay tokony ho vita amin’ny volana oktobra. Amin’izao fotoana izao aloha, ny fanajariana ny sisin-dalana rehetra ao an-tampon-tanàna no mandeha, miampy ny fanaovana rarivato (pavé) miditra any amin’ ireo fokontany maro. Efa simba tanteraka, nandritra ny taona maro ireo lalana ireo, fa izao vao misy ny asa fanarenana azy ao anatin’ny tetikasa Pic. Anisan’ny nanampy betsaka tamin’ny fanelanelanana amin’izao famatsiam-bola izao ny orinasa Rio Tinto Qmm, niampy ireo mpandraharaha samihafa ao amin’ ny Faritra.

Laminasa iray ny fametrahana toby famonjena voina ao amin’ny tafika, iarahana amin’ny miaramila. Manampy amin’ny fanomezana fitaovana ny Frantsay ka ny Rio Tinto no miantoka ny fitaterana ary anjaran’ny kaominina ny kojakoja sy ny fitantanana azy. Mampiavaka ny Faritra Anosy ny fiaraha-miasan’ny kaominina dimy. « Vola 2 miliara Ar no mihodina amin’ireo kaominina ireo, koa alohan’ny 26 jona, hosokafana ny tsena vaovao efa vita eto Fort-Dauphin, novatsin’ny Vondrona Eoropeanina vola », hoy ny Pds, Zafinandro Armand. Ary anisan’ny iray lehibe ny toby famatsiana herinatra ny tanàna avy any amin’ny Rio Tinto Qmm.

R. Mathieu

http://www.newsmada.com/fort-dauphin-2020-mandeha-ny-asa-fanarenana-ny-tanana/

Publicités

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s