#Madagascar : lozam-piarakodia, lehilahy hita faty


Olona 10 no indray naratra nandritra ny lozam-piarakodia nitranga teo anelanelan’Ankazobe sy Manerinerina, omaly maraina tamin’ny 2 ora sy 30 mn. Taksiborosy Sprinter iray avy any Mahajanga hiakatra aty an-drenivohitra no latsaka tany anaty hantsana. Araka ny loharanom-baovao voaray, nifanena tamina fiara 4×4 iray ity taksiborosy ity. Niala ilay fiara tsy mataho-dalana ny mpamily ka namantana tany anaty hantsana avy hatrany. Naratra mafy ny mpandeha rehetra. Tao ireo tapa-tanana, vaky loha, tapa-tongotra, torana tsy nahatsiaro tena. Potika tanteraka ilay fiara. Tsaboina eny amin’ny hopitaly Hjra ireo naratra ireo.

Fiara iray nitondra fianakaviana avy nitsangantsangana no nivadibadika teny Anjeva, ny alahady hariva teo tamin’ny 5 ora sy 30 mn. Niala lalana ilay raim-pianakaviana nitondra ny fiara ka izany no isan’ny nitarika ny loza. Naratra avokoa ny mpandeha tao anaty fiara. Ireo mpivady teo anoloana no tena voadona mafy. Tsy naninona kosa ireo ankizy nipetraka taoriana. Saika teo amin’ny lohany sy ny faritry ny masony no tena voa tamin’ireo naratra. Tsy nisy kosa ny aina nafoy. Mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly ireo naratra.

Nangonin’i J.C sy r.r

http://www.newsmada.com/tselatra-lozam-piarakodia-lehilahy-hita-faty/

Publicités

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s