#Madagascar : Mpitondra môtô 65 niharan-doza tao anatin’ny telo volana


Mila mitandrina. Mihamahazo vahana ny lozam-pifamoivoizana mahakasika ireo môtô eto an-drenivohitra. Vao omaly maraina indray no nisy môtô iray tafasitrika tany ambany fiara 4×4, tetsy Tsimbazaza. « Tao anatin’ny telo volana voalohan’ny taona 2012 ity, dia efa nisy trangana lozam-pifamoivoizana nahakasika môtô miisa 65 ka namoizana ain’olona roa nanaovanay fitsirihana. Raha ny tamin’ny taon-dasa dia nahatratra 295 ireo lozam-pifamoivoizana nateraky ny môtô niseho tamin’iny taona 2011 iny », hoy ny kaomisera Ratovondravola Don Donné, lehiben’ny borigady misahana ny fitsirihana sy ny fanadihadiana ireo lozam-pifamoivozana (Bac) etsy Tsaralalàna.

Ny fitrifatrifanana eran’ny lalana, ny tsy fitandremana, ny fisisisisihana eny anelanelan’ny fiara arahina tsy fanajana ny fenitry ny fifamoivoizana ho an’ireo môtô toy ny tsy fanaovana aroloha na ny fanaovana taingim-be… no tena antony mahatonga ireo lozam-pifamoivoizana ateraky ny môtô. « Matoa misy fepetra apetraka dia tokony arahina izany. Mila fitandremana ihany koa ny fifamezivezena satria sady maro ny fiara no maro ireo môtô eny an-dalambe rehetra eny », hoy hatrany ny kaomisera Ratovondravola Don Donné.

Ao Raha ce 7/6/12

http://www.aoraha.com/fifamoivoizana-mpitondra-moto-65-niharan-doza-tao-anatinny-telo-volana/

Publicités

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s