#Madagascar : Lalam-pirenena fahafito – Fiara telo nahazoan’ny mpanakan-dalana Ar 2 tapitrisa


Intelo namely tamina toerana iray ireo jiolahy  mpanakan-dalana teo amin’ny tetezan’Amboasary Behenjy amin’iny  lalam-pirenena fahafito iny, ny marainan’ny zoma 8 jona, nanodidina ny  tamin’ny 3 ora tany.Niisa enina ireo olon-dratsy izay nitondra fitaovam-piadiana. Fiara taksiborosy marika Mazda roa, nitondra olona 15 avy, sy fiara tsy  mataho-dalana iray,  nitarika fiara marika BMW nisy fahasimbana no  nasesin’ireo dahalo nosakanana tamin’izany.

« Olona roa tao anatin’ireo fiara voasakana no naratra vokatry ny vono  nahazo azy ireo. Mitotaly  Ar 2.075.000 ny vola lasan’ireo jiolahy  mpanakan-dalana, miaraka amin’ny firavaka volamena sy finday telo », hoy  ny fitarainan’ireo niharam-pahavoazana. Lasan’izy ireo hatramin’ny  fanalahidin’ilay fiara marika BMW notarihina. « Basy poleta iray no nentin’ireo mpanakan-dalana, miaraka amin’ny vy  matevina, izay natsivalany teo ambony tetezana, nanamora ny asa ratsiny  », araka ny fitantaran’ireo voatafika tamin’ny zandary manao ny  famotorana. « Mety ho nitifitra ireo dahalo satria nahitana taim-bala  nirefy 9mm teo amin’ilay toerana nisehoan’ny fanakanan-dalana », hoy ny  fanazavana avy amin’ny Zandarimaria.

Nisy fotoana tena nampahazo vahana ny fanafihana mitam-piadiana sy fandrobana teny amin’iny lalam-pirenena fahafito iny. Nandray andraikitra anefa ireo mpitantana kaoperativa ka nametraka ny amin’ny tokony hiarahan’ireo fiara mandeha eny an-dalana sy ny fiaraha-miasa tamin’ny zandary. Vokany, dia nilamindamin-dratsy ny fanafihana saingy izao niverina izao indray.

Haja Randrianantoandro/B.A

http://www.aoraha.com/lalam-pirenena-fahafito-fiara/

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s