#Madagascar : Akon’ny fety – Olona telo maty, 149 naratra


Ny lozam-pifamoivoizana no tena nitarika fahafatesan’olona nandritra ny fety sy iny faran’ny herinandro lava be iny. 3 no maty tamin’izany, araka ny tarehimarika avy eo anivon’ny hôpitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona Ampefiloha. Tany amin’ny lalam-pirenena faha-52 no nahafaty ny roa tamin’izy ireo.

Nahatratra 149 ny isan’ireo naratra vokatry ny vono sy ny lozam-pifamoivoizana, araka ny antontan’isa teo anivon’ity hôpitaly ity.

93 no naratra vokatry ny vono, ka ny 32 tamin’ireo no voatery naiditra hôpitaly raha 56 kosa no naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana.

« Ny tsindrona zava-maranitra sy ny vely tavoahangy no tena nahavoa ny ankamaroan’ireo olona naratra noraisina teto amin’ny hôpitaly. Isan’ny nahitana tranga maro tamin’izay ny teo amin’ny « podium » teo Anosy », araka ny fanazavan’ny mpitsabo iray tao amin’ny sampana vonjy taitra eo anivon’ny hôpitaly Hjra.

Raha ny voalazan’ity farany ihany dia « ratra tany amin’ny faritry ny loha sy tany amin’ny kibo no tena hita tamin’ny ankamaroan’ireo olona noraisina teo anivon’ity hôpitaly ity ».

Etsy andanin’izay dia niisa 8 ireo olona toran’ny toaka nandritra iny faran’ny herinandro iny, araka ny tatitra azo teo anivon’ny sampana fameloman’aina eo anivon’ny hôpitaly Hjra Ampefiloha ihany. Araka ny fanazavan’ny mpitsabo teo anivon’ity hôpitaly ity dia ny fitobahan’ireo mpivarotra toaka no tena nampiakatra io tarehimarika io.

Faralala

http://www.aoraha.com/akonny-fety-olona-telo-maty-149-naratra/

Publicités

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s