#Madagascar : Lehilahy maty teo ambony familiana


Loza no nanjo ity lehilahy iray izay maty teo am-pamiliana fiara. Omaly maraina tany amin’ny 10 ora tany ho any no nisehoan’izany tamin’iny lalan’Ivato iny. Tsy mbola fantatra izay tena nahazo ity olona ity satria tsy naratra izy. Ny orony no nandeha rà, ankevitry ny voadona angamba. Fiara Peugeot 306 no nentiny. Ny loharanom-baovao ihany no nahalalana fa nikasa hisongona fiara iray teo alohany izy. Nisy fiara iray hafa nitsidika anefa ka tsy afaka nandeha, tsy maintsy nihemotra. Tamin’io fotoana nihemorany io anefa, araka ny vaovao voaray ihany, nifandona tamina fiara iray hafa ny azy. Tsy fantatra ny hamafisan’ny fifandonana. Ankevitry ny voadona teo amin’ny lohany tamin’izay ary io no nampandeha rà ny orony. Niezaka nitondra azy teny amin’ny hopitaly Ampefiloha ny olona. Na dia nanao izay ho afany aza ny mpitsabo dia maty ihany ity lehilahy ity. Omaly ihany dia natao “autopsie” tao amin’ny tranom-paty HJRA ny razana hahalalana ny marina momba ity fahafatesana ity.

r.s.

http://www.midi-madagasikara.mg/index.php/home/8-faits-divers/4763-ivato–lehilahy-maty-teo-ambony-familiana

Publicités

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s