#Madagascar : Fandaminana ireo taksibe – Noroahina ny ankamaroan’ ireo  » cadenceurs « 


Zara raha ahitana « cadenceurs » vitsivitsy sisa mandamina eny amin’ ireo  toeram-piantsonan’ ny fiara fitateram-bahoaka eto an-drenivohitra.

« Noroahina sy najanona ny ankamaroan’izy ireo. Maro tamin’izy ireo no naka sy manangona vola amin’ny mpitatitra ary eo ihany koa ny tsy fahatongavana miasa matetika. Misy ihany koa anefa ny niala an-daharana », araka ny nambaran’i Bernardin Andriambinitsolomora, avy amin’ny fivondronan’ ny kaoperativam-pitaterana an-drenivohitra (Uctu).

Mpandrindra fifa- moivoizana sivily mano- didina ny 50 sisa no manatanteraka ny asa raha 80 izy ireo tany am-piandohana.  Ny kao-
perativa tsirairay no fantatra fa miantoka ny karaman’izy ireny. « Mba ho  fisorohana ny fifandonana lava eo amin’ny
mpitatitra sy ny mpitandro filaminana no nananganana azy ireny, saingy vao mainka niteraka olana teo amin’ny mpitatitra sy ry zareo indray izany », hoy hatrany ny fanazavana.

Efa mieritreritra ny handray mpiasa vaovao hanoloana ireo noroahina ireo anefa ny tompon’ andraikitry ny kaoperativa. « Mbola iarahana amin’ny ivon-toerana misahana ny asa an-drenivohitra (IMV) ny fandinihina izany miaraka amin’ny fanofanana sy ny fanavaozana ny fanamian’izy ireo », hoy hatrany Andriambinitsolomora Bernardin.

LR

http://www.aoraha.com/fandaminana-ireo-taksibe-noroahina-ny-ankamaroan-ireo-cadenceurs/

Publicités

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s