#Madagascar – Ivato : Roalahy nitondra moto maty voadoan’ny kamiao


Saika isaky ny herinandro no ahenoina loza ahafantesan’olona ho an’ireny mpitondra moto ireny

Ankizy lahy nanao taingin-droa tamina moto no indray namoy ny ainy teny amin’ny lalan’Ivato omaly. Araka ny loharanom-baovao, nivoaka avy amin’ny lalana mandeha any amin’ilay hotely lehibe vaovao, 5 étoiles, hoy ny fiantsoan’ny mponina izany, eny amin’ny faritr’Ivato iny izy ireo no nifanena tampoka tamina kamiao mpitaona tany ny moto nentin’izy ireo. Araka ny fisehoan’ny loza dia tsy azo nialana mihitsy izany. Mafy dia mafy ny fifandonana. Ny lohan’ireto tovolahy roa ireto no tena voahosin’ny kodiarana. Ny faritra hafa koa anefa notetezin’ilay fiara. Ny iray tamin’izy ireo maty tsy tra-drano. Ny faharoa mbola nisy aina kely ihany. Nezahina nentiny notsaboina fa tsy tana ihany ny ainy. Nalefa teny amin’ny tranom-paty eny amin’ny HJRA ny razana. Omaly hariva ihany anefa dia efa nalain’ny fianakaviany izy ireo. Ankizy tena mbola tanora tokoa izy ireo. Ny iray 16 taona ary ny faharoa 18 taona. Nipetraka tsy lavitra ilay toerana nisehoan’ny loza ireto tanora maty ireto.

Tato ho ato dia miverimberina ny lozam-pifamoivoizana nahafatesan’olona mitondra moto. Tsiahivina amin’izany izay niseho teny amin’ny faritra Ambohimangakely nahafaty tovolahy iray. Moto roa izy ireo tamin’izay no nifanenjika. Nihoatra taxi-be ary voalaza fa nandeha mafy mihitsy. Ilay teo aloha afaka fa ilay nanaraka taoriana no potsitra teo anelanelana fiara roa, ilay taxi-be sy 4X4 nifanena taminy. Nisy ihany koa teny amin’ny By Pass, ramatoa iray maty vohosin’ny kamiao. Niaraka tamin’ny vadiny izy tamin’izay. Nikasa hioatra ilay fiarabe. Tsy tontosa anefa izany ka voahosin’ny kodiarana ilay vehivavy. Potika ny vatana iray manontolo. Santionany ihany ireo fa maro dia maro ny loza sahala amin’izao. Araka ny tatitra avy eny amin’ny sampandraharaha mikasika ny lozam-pifamoivoizana dia matetika vokatry ny tsy fitandremana amin’ny ankapobeny no mahatonga ny loza. Eo ihany koa ny tsy fahaizana tsara ny làlana mifehy ny fifamoivoizana.

r.s.

http://www.midi-madagasikara.mg/index.php/component/content/article/8-faits-divers/5007-ivato–roalahy-nitondra-moto-maty-voadoanny-kamiao

Publicités

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s