#Madagascar – Alakamisy Fenoarivo : Lehilahy nitondra moto maty voadonan’ny fiara


Tamin’ny harivan’ny sabotsy teo, nikasa handeha hody any Imerintsiatosika ny lehilahy iray eo amin’ny 31 taona eo. Avy aty an-drenivohitra izy fa tratra hariva. Moto no nentiny tamin’izany. Rehefa teny Alakamisy Fenoarivo anefa, nifandona tamina fiara minibus iray ny moto nentiny. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa tao anaty fiolahana no niseho ny loza. Avy amin’io voavao io ihany koa no nahafantarana fa toa hoe tsy nisy jiro ilay fiara. Mafimafy ihany ny fifandonana. Vokatr”izany, maty teo no ho eo ilay lehilahy nitondra moto. Tao anatin’ny herinandro maromaro izao no naharenesana fahafatesan’olona mitondra ireny Scooter ireny. Amin’ny ankapobeny, vokatry ny tsy fitandreman’ny olona mitondra azy ireny no mahatonga ny loza. Eo ihany koa anefa ny fahadisoan’ireo mpitondra fiara sasany izay vao mahita olona mandeha moto dia lasa kizitina ho azy eo.

r.s.

Lundi, 16 Juillet 2012 00:00

http://www.midi-madagasikara.mg/index.php/component/content/article/8-faits-divers/5421-alakamisy-fenoarivo

Publicités

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s