Fitaterana: Vonona ny hivoatra tokoa ve ?


Malaza amin’ny gaboraraka raha ireo toby fiantsoan’ireo taxi-brousse eto Antsirabe, indrindra ny ery Avaratra.

Ny mpanera no tompon’ny laka eo hatramin’izay. Mimenomenona ary mitondra faisana ireo mpandeha fa saritahan’ny mpanera, ary matetika dia very entana foana aza.

Tonga ity ny fialan-tsasatry ny mpianatra. Matetika dia anisan’ny vanim-potoana iray fanararaotan’ny mpitatitra amin’ny fanaovana ny tsy ara-dalàna izao fotoana izao, raha tsy hiteny afa-tsy ny fampiakarana tafahoatra ny saran-dalana Antsirabe Antananarivo, ny fampiakarana mpandeha ivelan’ny toby…

Fa toa tapa-kevitra ireo firaisan’ny kaoperativa miaraka amin’ny ATT fa hiady amin’izany gaboraraka izany ankehitriny. Miara-miasa amin’izy ireo ihany koa ny mptandro ny filaminana, zandary sy polisy ary ny ao amin’ny kaominina Ambonivohitra..

Volan-kakafotra io hoy ny mpandeha sasantsasany ka ny omaly tsy miova ihany.

Efa im-betsaka tokoa mantsy no nisy ny hetsika natao teo amin’ity toby avaratra ity saingy tsy maharitra akory fa vetivety dia miverina indray ny fomba ratsy teo aloha.

Betsaka ireo fepetra efa noraisina mikasika ireto mpitatitra ireto ka ho hita eo indray ê…

Bebel Ratsimba

http://www.lagazette-dgi.com/index.php?option=com_content&view=article&id=24603:fitaterana-vonona-ny-hivoatra-tokoa-ve&catid=49:newsflash&Itemid=61

Jeudi, 16 Août 2012 06:47

Publicités

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s