#Madagascar : Lalam-pirenena fahafito: Kely sisa dia hivadika lalana  » secondaire


Ny lalana mampitohy an’Ambositra ka hatrany Fianarantsoa no tiana ho resahina eto.

Mitaraina tanteraka ny mpandeha amin’iny lalana iny ankehitriny. Ny alahady faha-19 aogositra 2012 teo dia nanao fitsidihana tany amin’iny toerana iny. Raha niainga avy ao Ambositra ka ho any Fianarantsoa, izay misy halaviran-dalana mirefy 168 km dia nataon’ny taxi-brousse ao anatin’ny adin’ny telo izany volana vitsy lasa izay. Amin’izao fotoana izao dia adiny efatra sy sasany na adiny dimy vao vita izany. Samy efa feno lavadavaka daholo iny lalana iny, fa ny tena voa mafy dia ny eo anelanelan’Ambohimahasoa sy Fianarantsoa. Tao anatin’ny 45mn teo aloha no nanaovan’ny fiara izany elanelana izany, nefa dia lasa adiny roa sy sasany ankehitriny. Lalana eo amin’ny 68 km no elanelana amin’izany. Ny eo Mandalahy sy ny eo Tsarafidy no isan’ny voa mafy amin’izany satria efa tsy hita intsony ny maha vita tara "goudron" azy. Miloam-potaka tanteraka ny ampahan-dalana eo amin’ny 200 m eo ho eo amin’ny toerana roa ireo. Tamin’ny fotoana nandalovana tany dia merika ny andro ka fiara efatra be izao no raikitra sy simba teo amin’ireo toerana ireo. Feno fotaka sy hadihady ary lavaka ny ampahan-dalana ireo ary tsy hita intsony no maha lalam-pirenena fahafito azy. Ny mahagaga anefa dia ifamezivezen’ny tomponandraikitra ara-panjakana maro tsy tapaka iny lalana iny, nefa dia tsy misy miraharaha satria manana fiara tsy mataho-dalana daholo ny an-kamaroan’izy ireny. Raha toa ka tsy misy fanamboarana maika ity lalana ity dia inoana fa ho simba tanteraka ka hisy fiantraikany amin’ny ekonomia amin’ny faritra atsimo sy atsimo atsinanan’ny nosy izany. Marihina fa fiarabe sy fiara marobe no mandalo amin’izany isan’andro. Tsy vitan’izany fa mbola isan’ny toerana be dahalo koa iny toerana voalaza iny, ary mazàna ahitana fanafihan-dahalo matetika koa.

Nangonin’i Jesy Rabelaolao

http://www.lagazette-dgi.com/index.php?option=com_content&view=article&id=24741:lalam-pirenena-fahafito-kely-sisa-dia-hivadika-lalana-q-secondaire-q&catid=49:newsflash&Itemid=61

Mardi, 21 Août 2012 09:00

Publicités

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s