#Madagascar : Fotodrafitrasa – Tsy nisy fikojakojana ny tetezam-by


Niaiky ny minisitry ny Asa Vaventy, Kolonely Botomanovatsara, fa tsy nisy fikojakojana ireo tetezamby teto amintsika, ka tsy maha- gaga raha re ny fahatapa- tapahany tao ho ao. ”Tokony holokoina ho fiarovana azy amin’ny harafesina isaky ny roa taona saingy tsy nisy nanao izany. Efa nitombo koa ny vesatry ny fiarakodia mandalo amin’izy ireny kanefa efa ho 50 taona ny ankamaroany. Hiezaka hametraka takelaka mametra ny vesatra tokony hozakain’ ny tetezana izahay”, hoy ny minisitry ny Asa Vaventy, kivikivy.

Ny tokony nokojakojaina tsy natao na dia fantatra aza fa lafo dia lafo ny fanaovana tetezana. ”Nisy koa ny fividianana ”pont bascule”, natao handanja ireo kamiao mampiasa ny lalam-pirenena saingy ohatra ny lo am-pitoerana avokoa izy ireo. Navela niditra rahateo ny kamiaobe, afaka mitatitra entana maherin’ny 30 t, izany hoe, tsy mifanentana intsony amin’ny mety ho zakan’ireo tetezana eto amintsika”, hoy ny mpamily iray.

Tsy mahagaga raha misy ny tetezana mianjera sy tapaka. Potika haingana koa ny lalana vita tara. Hisy hanara-maso koa ve rehefa mipetraka ny takelaka ?

B.A

http://www.aoraha.com/fotodrafitrasa-tsy-nisy-fikojakojana-ny-tetezam-by/

Publicités

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s