#Madagascar : Nitokona ireo « Auto-école »


Vory maro be tetsy Tsimbazaza, toerana fanaovana fanadinana amin’ny fianarana mamily fiarakodia ireo seloky misahana izany na «auto-école», omaly. Nitokona tsy nety hampanao fanadinana ireo mpiadina ny sekoly miisa 52 amin’ ireo 68 misy eto an-drenivohitra.

“Tsy nisy mihitsy fanatsarana nataon’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT) hatramin’ ny nandraisany andraikitra nanomboka ny taona 2008. Na ny dabilio hipetrahan’ireo mpiadina hanao fanadinana aza zara raha misy sady efa ratsy. Ny mpiadina anefa mandoa Ar 10 000 any amin’ny ATT”, hoy Andriambololona Lalanirina, filohan’ny sendikan’ny «auto-école».

Notakian’izy ireo ny hamerenana ny fiahiana mivantana ataon’ny fanjakana.”Tsy maintsy hifampidinika fa androany (ndlr: omaly) mandeha ihany ny fanadinana ho an’izay vonona”, hoy fotsiny kosa Razakarivony Mamy, tale jeneralin’ny Att.

http://www.aoraha.com/disadisa-nitokona-ireo-auto-ecole/

LR

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s