#Madagascar : RN13 (Amboasary-Fort-dauphin) : Misy mitoraka ny fiara, maro no vaky fitaratra


Maro amin’ireo tompona fiara-kodia na mpamily no mitondra faisana amin’iny lalam-pirenena faha-13,Amboasary-Atsimo/Faradofay. Fiara maro no vaky fitaratra sy potika karôseria,vokatry ny herisetra ataon’ireo olona tsy fantatra.Ny zava-misy mantsy, dia miafina any anaty ala tsy lavitra ny arabe lalam-pirenena ry zareo.

Misy andian’ olona maro ; rehefa sahabo ho mena masoandro somambisamby iny. Rehefa alina ny andro,mikendry ny fotoana handalovan’ny fiara izy ireo. Manao ny ataony amin’izay. Matetika,fanakanana fiara-kodia,miharo herisetra no atao sy tanjon-dry zareo teo aloha. Vao raikitra ny fanenjehana dahalo tany atsimo, nitsahatra kely dia izao miverina tsikelikely izao indray rehefa nangingina. Fiara maro no efa vaky “para-brise” sy potika,misy amin’ireo mpamily fiara no maratra vokatry tora-bato. Nambaran’ny mpamily iray fa manao andiana 8 ka hatramin’ny 10 eo ho eo ireo mpanakana-mpitoraka fiara ireo. Mahita fomba hanakorontanana fiaraha-monina hatrany ireo olon-dratsy. Tsikaritra fa raha variana manenjika sy mitady an’dRemenabila any Betroka ireo mpitandron’ny filaminana,miseho masoandro tsikelikely any amin’iny lalam-pirenena faha-13 sy amin’ireo kôminy manodidina an’I Faradofay indray ireo olon-dratsy. Ao ireo manao barofo entan’olona, mandoro trano fonenana, manao halabotry. Atahorana hisy fiatraikany amin’ny fanantanterahana ny fifidianana izao tranga tsy mbola ahitana fanafodiny izao. Tsy mbola rahampitso no hiverina amin’ny laoniny ny fiainan’ny mponina indrindra ny any ambanivolo any.

ROM FARADY

Mercredi, 10 Octobre 2012

http://www.midi-madagasikara.mg/index.php/component/content/article/8-faits-divers/8025-lalana-rn13-amboasary-fort-dauphin–misy-mitoraka-ny-fiara-maro-no-vaky-fitaratra

Publicités

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s