#Madagascar : Kodiarana namoa-doza – Pasitora maty voapotsitry ny fiara nivadika


Patsa iray tsy omby vava. Nitrangana lozam-pamoivoizana nahafatesana olona iray sy nandratra olona valo, ka ny roa no tena voa mafy, teny an-tampon’Ihorombe, 30 km avy eo Ihosy, akaikin’ny tanànan’i Anjihilava sy Bemandresy, ny alahady teo, tamin’ny 6 ora sy sasany maraina. Taksiborosy marika »Sprinter 312 », avy aty Antananarivo ho any Toliara ary nitondra olona 17 ity tra-doza ity.

« Voatsindry teo anelanelan’ny varavarankelin’ny fiara io lehilahy maty io. Ary teo no nisokirana azy. Tao amin’ny laharan-tseza fahatelo no nipetrahany », hoy Rahely, mpamily ny fiara. Voalaza fa pasitora amin’ny fiangonana FLM any Tolagnaro ity maty ity.

Raha ny voalaza dia ny fipoahan’ny kodiarana roa tao aoriana, tamin’ilay fiara no nahatonga ny loza. Tsy voafehin’ilay mpamily intsony ny familiana, nihilangilana ary navadiky ny entana teo ambony tafo avy eo ilay taksiborosy.

Nomarihin’ny mpandeha iray fa “lala-mahitsy be no nizoran’izy ireo ary tsy nandeha mafy firy ilay fiara, noho izy nifanaraka tamin’ny andiana kamiaon’ny orinasa Colas, nihazo an’i Toliara”.

Nalefa notsaboina ao Ihosy ireo naratra.

Barphil Andriantsiferanarivo

http://www.aoraha.com/kodiarana-namoa-doza-pasitora-maty-voapotsitry-ny-fiara-nivadika/

Publicités

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s