#Madagascar : Nihena ny isan’ireo taksibe niasa


Fitaterana an-drenivohitra : Nihena ny isan’ireo taksibe niasa

Sahirana tamin’ny fiandrasana taksibe ireo mponina teto an-drenivohitra, omaly. Nahalana mantsy vao nisy fiara tonga teny amin’ireo fiantsonana, hany ka tomefy olona avokoa izany. Ny fahavitsian’ireo taksibe niasa, noho ny tahotry ny tompony amin’ny mety hisian’ny hasomparana ataon’ireo mpanjifa, no anton’izany.

« Manahirana ny mihevitra ny fananana ho simba ka naleonay aloha nanapa-kevitra ny hijanona tsy hiasa. Efa be-tsaka mantsy ireo fihantsiana heno sy fandrahonana nandeha ka natahotra izahay », hoy ny tompona taksibe iray eny Atsimondrano. « Misendaotra loatra amin’ilay fampiakarana saran-dàlana efa tapaka fa tsy main-tsy hatao ireo mpanjifa ka nanao vava ny hihetsika androany (omaly). Natahotra izany izahay ka tsy namoaka fiara hiasa raha tsy efa hita ho milamindamina ny toe-draharaha », hoy kosa Ranarivonjy Fidèle, mpitatitra sady tompona fiara amin’ny zotra iray eto an-drenivohitra.

« Efa manaiky ny handoa ilay saran-dàlana 400 ariary izahay ka tokony tsy hampijaliana intsony», hoy Tsiory, mpianatra.

Volana Rakotoharimanana

Mardi 06 novembre 2012

http://www.lexpressmada.com/fitaterana-an-drenivohitra-madagascar/38261-nihena-ny-isan-ireo-taksibe-niasa.html

Publicités

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s