#Madagascar : ANOSY Niady an-trano ny mpitatitra


Tsy nanaiky ny soson-kevitra hitazonana ny saran-dalana ho Ar 300 ny mpitatitra an-drenivohitra. Nifanditra tamin’ny mpitatitra miasa ivelan’ny renivohitra izy ireo.

Samy niaro tombontsoa. Nifanasa vangy teny Anosy, taorian’ny fihaonany tamin’ ny solontenam-panjakana omaly, ny mpitatitra miasa manodidina ny renivohitra (UCTS) sy ireo miasa an-drenivohitra (UCTU). Ny resaka fanitarana ny lalan-jotran’ ny UCTS ao anatin’ny faritra iasan’ny UCTU no fototr’izany.
« Miendrika fampiadiana ny samy mpitatitra ny fanekena ny fanitarana ny lalan’ny UCTS ato amin’ny faritry ny renivohitra iasanay, ka tsipahanay marindrano. Tokony hanome fahafaham-po ny mpanjifany aloha izy vao mitsofoka aty aminay, satria maro ireo mitaraina noho ny antsirambina ataon’izy ireo », hoy ny tabataban’ny mpitatitra an-drenivohitra.

Tsy laitra nakisoka

« Tsy mandrafy mpitatitra izahay fa vonona ny hiasa rehefa tsy hanao ny UCTU. Efa vonona ara-pitaovana amin’izany rahateo izahay », hoy kosa ny nasetrin’ny mpitatitra ao amin’ny UCTS.
Efa nahazo fankatoavana ary efa manomboka mikarakara ny taratasy fahazoan-dalana hitrandraka lalan-jotra vaovao ireo kaoperativa voakasik’izany, izay mitrandraka ny zotra D, E, F, G, H, I. Fantatra ihany koa fa tsy hampiakatra ny saran-dalany izy ireo ary hitazona izany ho Ar 300 amin’ny faritry ny renivohitra izay hidirany amin’ny fanitarana ny lalany. Tsy manaiky anefa ireo mpitatitra an-drenivohitra ka nandrahona ny hifampitady sy hanao he-tsika manokana hanoherana izany.
Nitazona ny heviny hatramin’ny farany amin’ny fitazonana ny saran-dalana ho Ar 400 ireo mpitatitra an-drenivohitra (UCTU). Izany dia nandritra ny fihaonany tamin’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny minisiteran’ny Fitantanam-bola ary ny minisiteran’ny Solika, niaraka tamin’ireo mpitatitra miasa manodidina ny renivohitra (UCTS). Tsy nahoan’izy ireo ary tsy nekeny mihitsy ny soson-kevitra natolotr’ireo minisitera telo ireo dia ny fametrahana vidin-tsolika manokana sy tetik’asa fanatsarana ny fampidiram-bola ho an’ny mpitatitra ary ny fanonerana ny hetra sy ny hanalefahana izany amin’ny taona ho avy.
« Efa zakan’ny vahoaka ny saran-dalana Ar 400, ka tokony hijanona amin’izao. Tsy mandaitra ireo soson-kevitra ireo satria efa nandramana fa tsy nety. Ny fampihenana ny vidin’ny solika ihany no vahaolana aminay », hoy ny fanamarihana nataon’ny filohan’ ny UCTU, Andriambinin­tsolomora Bernardin.

Volana Rakotoharimanana

Samedi 17 novembre 2012

http://www.lexpressmada.com/5377/anosy-madagascar/38568-niady-an-trano-ny-mpitatitra.htm

Publicités

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s