#Madagascar – RN7 : Fiara 4 nisy nitora-bato, mpandeha iray maratra


Raha somary tsy dia re firy tato ho ato ny fanakanana fiara tamin’iny lalam-pirenena fahafito mandalo ny faritra Vakinankaratra iny dia nisy tranga hafa indray niseho.Ny alin’ny asabotsy 01 desambra 2012 lasa teo tokony ho tamin’ny 09 ora sy 30 minitra,nisy fiara fitaterana miisa telo avy any atsimo sy fiara kely an’olon-tsotra iray no nisy nitora-bato teo Antsoantany.Raha ny vaovao voaray dia lehilahy miisa telo no tazan’ireo mpandeha.Olona iray no voalaza fa naratra mafy vokatry ny fahavakisan’ny fitaratr’ireo fiara efatra ireo,saingy nanohy ny diany ihany ireo fiara ary niezaka nitsoaka nihazo ny paositry ny zandary eo Vohitsoa.Nihazo avy hatrany ny toerana nitrangan’ny tora-bato ny zandary tao amin’io toerana io saingy tsy nisy tazana intsony ireo telo lahy voalaza fa nitoraka ireo fiara ireo. Ny vaovao voaray ihany no nahafantarana fa ireo olona mpiambina eo amin’ny tananan’Antsoantany no hitan’ny mpitandro ny filaminana ary raha ny fandaminana eo amin’io toerana io dia olona folo hatrany no manao ny fiambenana.Tamin’io fiambenana io alina io anefa dia olona fito ihany no hitan’ny mpitandro ny filaminana fa tsy teo ny telo.Nandritra ny fanadihadiana nataon’ny zandary no nahitana ny iray tamin’ireo telolahy tokony hiambina ary rehefa nohadihadiana io dia nilaza fa lasa tany Antananarivo,saingy rehefa nohamarinina ny taratasy fahazoan-dalana nialany ny toerana dia tsy nisy sonia sy fitomboka ary tsy nisy daty sy ny toerana halehany ka voatery notanan’ny zandary avy hatrany io lehilahy io.Hatramin’izao dia tsy mbola hita izay misy ireo roalahy hafa na dia efa fantatra aza ny momba azy ireo.Mitohy ny fikarohana ataon’ny zandary , voalaza anefa fa misy sahady ireo tomponandraikitra eo anivon’ny kaomina Antsoantany no mitaky ny hamoahana ilay lehilahy iray voasambotra.

Andry N.

http://www.midi-madagasikara.mg/index.php/home/8-faits-divers/9745-rn-7–fiara-4-nisy-nitora-bato-mpandeha-iray-maratra

Publicités

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s