#Madagascar – Behoririka : lehilahy maty voahitsaky ny taxi-be


Nampivarahontsana ! Lehilahy iray manodidina ny 26 taona eo ho eo no maty voahitsaky ny taxi-be mampitohy an’Ambohimanarina, omaly hariva tamin’ny 4 ora sy 30 mn. Potipotika tsy nisy noraisina ny lohany, raha ny fitantaran’ireo olona nanatri-maso ity loza nahatsiravina ity. Voalazan’ireo teny amin’ny manodidina fa hoe tapaka « frein » ity fiara ity.

Renim-pianakaviana iray no nitsambikina avy ao anaty fiara noho ny tahotra. Nitsotsotsotso nanao bemidina ilay taxi-be Mercedes ka voasaringotry ny fitaratry ny fiara ilay lehilahy nandeha tamin’ny sisin-dalana. Vokany, nianjera avy hatrany izy ary notetezin’ny kodiarana ny vatany sy ny lohany. Nipotsaka ny atidohany, nivoaka ny lelany. Nandriaka eran’ny arabe ny ra. Nitsoaka kosa ny mpamily sy ny mpamily mpanampy noho ny tahotra, araka ny fitantaran’ireo mpivarotra teo amin’ny manodidina ny toerana nisehoan’ny loza. Najanony teo akaikin’ny fiantsonan’ny taxi-be eo akaikin’ny Ranomaimbo ny fiara. Navelany tao ny fanalihidin’ny fiara. Polisy no niambina ilay fiara teny an-toerana.

Jean Claude

http://www.newsmada.com/index.php/actualites/4496-behoririka-lehilahy-maty-voahitsaky-ny-taxi-be

Publicités

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s