Fitaterana – Simba ny fiaramanidin’ny Air #Madagascar roa


Miteraka fiovana teo amin’ny zotram-piaramanidina ary nampikorontana ireo mpandeha niandry teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena eny Ivato. Nisehoana olana ara-teknika ny fiaramanidin’ny kaompania Air Madagascar roa (ATR 72 sy Boeing 737), izay tokony handray mpandeha tatsy amin’ny seranam-piaramanidina Gillot tatsy amin’ny Nosy La Réunion, ny alakamisy teo.

Efa nanomboka ny talata kosa anefa ny fanemorana ny daty fiaingana ho an’ireo mpandeha, araka ny voalazan’ny gazety renioney, izay niteraka fahatezerana tamin’ireo mpandeha tokony handray ireo fiaramanidina ireo. «Najoro koa noho izany ny komity misahana ny olana atsy La Réunion, eto Antananarivo ary any Dzaouzi, hitondrana ny vahaolana rehetra amin’ izany», hoy ihany ny fanambarany. Anisan’ny fepetra horaisina ny fanofana fiaramanidina Boeing 777 hitondra ireo mpandeha an-jatony tavela any la Réunion ireo. Raha tsy misy ny fiovana dia efa niainga tany La Réunion omaly alina ireo mpandeha ireo.

FR

http://www.aoraha.com/fitaterana-simba-ny-fiaramanidinny-air-madagascar-roa/

Publicités

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s