Ireo lamina sy sazy momba ny fijanonan’ny fiara eto Antananarivo


Miditra amin’ny fanentanana sy fampahafantarana ny olona amin’ny fampiasana ny fiantsonana isaky ny toerana eto ampovoan-tanàna ny tompon’andraikitra misahana izany ankehitriny. Indrindra ho an’ireo manana na mampiasa fiarakodia.

Mizara efatra mazava tsara ny lamina sy ny sazy mifandraika aminy ho an’ireo zatra ny lalan-dririnina ka sazy 12 000ariary no kely indrindra raha 130 000ariary no farany ambony arakaraky ny hadisoana. Toy ny hoe tsy fandoavana sandan’ny toerana, tsy fanarahan-dalàna isan-karazany ary ny fiantsonana amin’ny toerana mampidi-doza sy ny fiantsonana amin’ny toerana ho an’ny fiarakaretsaka, ny fiantsonana manelingelina ny hafa na mibahana.

Ampiharina kosa ny fanagejana sy fanagiazana ny fiara ho an’ireto tranga manaraka ireto. Tsy fandoavana lamandy mihoatra ny 45andro, fanaovana fahadisoana miisa telo izay tsy voaloa ny lamandiny, tsy fandoavana sandan- toerana mihoatra ny adin’ny enina.

Ny lamandy kosa dia any amin’ny “caisse  de contravention parking” Tsimbazaza no handoavana azy.

Ho an’ny olona vonona amin’ny fiovàna dia tsy sarotra izany satria misanda ho 500 ariary isaky ny ora iray aty ampiandohan’ny tetik’asa. Rehefa tafiditra eo amin’ny faritra natokana hijanonana ny fiara dia afaka misafidy ny fandoavany ny vola ka ireo « horodateur » na « coupon » na amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera telefonina. Afaka misafidy ny toerana hijanonany ihany koa ny mpampiasa fiara amin’izany amin’ny alalan’ny soritra amin’ny tany. Izany rehetra izany dia hamorain’ireo fitaovana efa napetraka nandritra ny volana maro satria ireny fitaovana ireny no mitsirika ny ora nijanonana teo amin’ny fiantsonana ary mbola ireny no mikajy ny vola tokony ho aloa izay amin’ny alalan’ny karatra na rosia.

Tsy mihemotra amin’ny fanampahan-keviny araka izany ny fiadidiana ny tananan ’ Antananarivo renivohitra ho fanatsarana sy fanavaozana ny fiantsonan’ny fiara eto amin’ny renivohitra.

Zou’zie

Source : Fiantsonan’ny fiara – Lamandy hatramin’ny 130 000 ar

Publicités

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s