Miharihary hatreny andalana ny fahasahiranan’i Jirama


Nahavariana sy naha valalanina ny mpampiasa ny làlana etsy Ankorondrano omaly ny fomba namantarana ny fisian’ny loza.

Tsy fantatra na ny Jirama no tsy manana marika entina hampilazana ny olona intsony fa misy loza nohon’ny fahasahiranana mianjady aminy, na ny olona no efa sorena noho ny tsy fisian’ny famantarana fa misy lavaka lehibe eo afovoan’ny arabe. Baoritra tsotra nisy sora-tànana sarotra fantarina ihany mantsy omaly no hita teo anoloan’ny lavaka lehibe iray, izay vokatry ny fihotsahan’ny arabe. Natao sora-baventy ny sasany amin’ny soratra ary nohon’ny tsy fahampian’ny toerana dia nakelezina ny soratra hafa. Hafahafa ihany noho izany ny fandraisana io fampandrenesana fa misy loza io. “Efa nasiana tady famantarana ihany manodidina ny lavaka, fa indraindray misy olona minia tsy mijery ka manitsy avy hatrany, izany indrindra no nanasiana io soratra vita tamin’ny arina io. Indrisy anefa fa misy mpitondra fiara lany andro mamantatra ny soratra ka saika nivarina tao anaty lavaka. Misy ihany koa ny mpitondra bisikileta sy môtô misisika eo anelanelan’ny fiara ka tsy mahita izay hahafaty azy akory na dia misy tady famantarana fa misy loza aza”, hoy ny fanazavana azo avy tamin’ny mpivarotra amoron-dàlana iray.

Source : Fanamboarana Miharihary hatreny andalana ny fahasahiranan’i Jirama | La dépêche de Madagascar

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s