Tsy voahaja ny zon’ireo sembana


logo lamina

Sahirana ny olona sembana any amin’ny fitateram-bahoaka. Noho izay antony izay, nanokana tetikasa ny ONG Lalana sy ny Vondrona eoropeanina, Lalanjotra Miaty ny Namana (Lamina), miady ny tombontsoan’ireo sembana hitovy zo amin’ny rehetra any amin’ny fitateram-bahoaka. Tetikasa <em>Lamina</em>, roa taona, hoentina hanentanana ireo mpitatitra rehetra eto Antananarivo, miaraka amin’ny tompon’andraikim-panjakana, ATT, kaominina, polisy sy ny olona rehetra, hijery akaiky ny fomba fiasan’ireo kaoperativa mpitatitra ho an’ireny sembana ireny. Tanjona ny hanamora ny fahazoan’ireny olona ireny mampiasa fiara fitaterana toy ny hafa, tsy hasiana fanavakavahana
Misy mihitsy ireo taxi-be tsy mandray ireny olona sembana ara-batana ireny na tafiditra ao anatin’ny fiara aza, tsy misy toerana voatokana ho azy ireo, tsy miandry fotoana fahafahan’izy ireo miakatra na midina ny mpitatitra sasany. Ireo jamba indray, matetika tsy ampahafantarina izay toerana tokony hialany; ny marenina, sahirana; sembana ara-tsaina, indrindra ny ankizy, vesatra ho an’ny ray aman-dreniny eo amin’ny saran-dalana. Tsy voahaja ny zon’ireo sembana
Tsy mahazo fahazoan-dalana
Mandoa saran-dalana toy ny rehetra ireny olona ireny, nefa tsy misy fiahiana azy ireo manokana ataon’ireo kaoperativa maro eto an-dRenivohitra. Ny fanjakana, tsy manampy ny mpitatitra hanamora ny fitaterana azy ireny, ny tompon’ny fiara tsy te hamoaka vola hanamboatra toerana manokana ho azy ireny. Olana iray hafa ho an’ireo marenina, tsy ankatoavin’ny fanjakana ny fanomezana ho azy ireo fahazoan-dalana mitondra fiara na môto, nefa raisin’ireo auto-école mialoha.
Sahirana izany ireo sembana eto amintsika, raha miditra amin’ireny fitateram-bahoaka ireny. Tsy misy ny fanajana ny zon’izy ireo. Koa anisan’ny iarahan’ny ONG Lalana sy ny Vondrona eoropeanina amin’ity tetikasa <em>Lamina</em> ity, ny fanomezana fiofanana ireo sembana, fiaraha-midinika amin’ny fanjakana sy ny mpitatitra, fanentanana ny olon-drehetra hanampy azy ireny. Koa tokony ho hita ao anatin’ny bokin’andraikitra izany ny fanajan’ny mpitatitra azy ireo

R. Mathieu
Gazety Taratra

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s